Antenimierampirenena: Karaman’ny depiote no ividianana fiara 4×4

“Ny fiara tsy mataho-dalana homena ny depiote dia tsy nalaina tamin’ny kitapom-bolam-panjakana no hividianana azy, fa nalaina tamin’ny karaman’ny depiote”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Antenimierampire­nena, i Tokely Justin, teny Tsimbazaza, omaly, ny amin’ny fividianana fiara 4×4 ho an’ny depiote. Ny tambin-karama fanonerana ny fitaterana ao anatin’ny karamany no akana azy. Ny depiote 163 no nifanaraka ny amin’izay, fa tsy tokony hampidirana politika na resaka hafa. Koa tsy marina raha ny hoe nalaina tamin’ny volam-panjakana na misy tetibola manokana hividianana azy. Inona no ilan’ny depiote fiara tsy mataho-dalana? Natao haka ny hetahetam-bahoaka any ifotony ny asan’ny depiote, ankoatra ny asa fanaovan-dalàna ary ny fanaraha-maso sy fanaovana tombana ny asan’ny mpanatanteraka. Amin’ny maha solontenam-bahoaka azy, tsy maintsy midina ifotony mba hahitana ny olana misy sy izay andrasan’ny vahoaka. Raha tsy manana fitaovana hanaovana an’izany ny depiote, tsy hovitany antsakany sy andavany ny asany.

R. Nd.

Partager sur: