Voka-pifidianana vonjimaika farany: Lasan-dRamanantsoa Harilala Antananarivo

Nivoaka, omaly, ny voka-pifidianana vonjimaika farany avy amin’ny Ceni. Lany ho ben’ny Tanàna eto Antananarivo Renivohitra i Harilala Ramanantsoa.

Lah. 1 Iarivo Mandroso, lisitra tarihin-dRaza­namasy Ndriana, nahazo vato 2 197 (0,89%); lah. 2 Tia Tanindrazana, Razafinjoelina Tahina, nahazo 29 568 (11,99%); lah. 3 RTL, tarihin-dRandriamampionona Joseph Martin 3 926 (0,59%); lah. 4 Tim, Ravalomanana Tojo 89 374 (36,24%); lah. 5 tsy mi­ankina Monja Roindefo 1 390 (0, 56%); lah. 6 Mouvement Gascar 12 536 (5,49%); lah. 7 Irmar Ramanantsoa Harilala 106 643 (43,24%). Izay ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Rafitra misahana ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika na ny Struc­ture provinciale ad’hoc de traitement des résultats des élections communales (Spatrec), teny amin’ny foiben’ny Ceni, Alarobia, omaly. Mazava ny fandresen’ny kandidà natolotry ny Irmar, Harilala Rama­nan­tsoa. Nambaran’ny filo­han’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, fa anjaran’ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana ny vokatra raikitra.
48,79% ny taham-pandraisana anjaran’ny mpifidy ma­nerana ny Nosy. 1 158 ny kaominina no misy taha mihoatra ny 50%, raha 557 ny latsaky ny 50%. Raha ampitahaina ny tamin’ny taona 2019 izay 41,03% ny taha tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna ary 40,83% ny mpanolotsaina, nisy fitomboana fa tsy araka ny feo etsy sy eroa. Ho an’ny Faritany Antananarivo, 44,19 % ny taham-pandraisana anjaran’ny mpifidy.
Natsangana isam-paritany ny Spatrec, nikirakirana haingana sy tao anatin’ny fahamarinana ny voka-pifidianana. Tsy voatery hanohintohina ny vokatra na ny fahamarinan’ny latsa-bato avokoa izay rehetra heverina fa tsy fahatomombanana. “Misokatra ny adihevitra ny amin’izany”, hoy izy. Ira­riany mba ho anaty fitoniana sy filaminana ny iandrasana ny voka-pifidianana raikitra.

R. Nd.

Partager sur: