Nitondra ny heviny manoloana ny fifidianana ben’ny Tanàna ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. “Tsy ara-dalàna tanteraka ny nanaovana iny ordonance iny. Efa nitondra fanazavana momba izany ny eo anivon’ny HCC tamin’ny 2018. Anisan’ny mpikambana tao amin’io Andrimpanjakana io ny filohan’ny Ceni tamin’izany”, hoy izy. Notsiahiviny ny voalaza tamin’izany fa tsy azo kitihina intsony ny lisi-pifidianana rehefa fantatra ny datim-pifidianana. “Tsy azo hampidirana sy tsy azo hanesorana izany”, hoy izy. Nanteriny fa natao ho an’ireo efa vita “recensement” nefa tsy tafiditra anaty lisitra ny fampiasana Ordonance. Tsy midika izany hoe olona vaovao mihitsy no ampidirina, araka ny nambarany hatrany. “Mazava ny voalazan’ny And.38 sy 42 amin’ny lalàna 2018-008 mifehy ny fifidianana. Tsy izay no zava-nisy teto”, hoy ihany izy.
Notsiahiviny koa fa tsy ara-dalàna tahaka izany koa ny firotsahan-dRajoelina Andry tamin’ny 2023. Efa very zom-pirenena malagasy, kanefa mbola nomena “Certificat de nationalité malagasy” ihany, araka ny nambarany hatrany. Nohitrikitrihiny fa tompon’andraikitra tanteraka ny Ceni sy ny rafi-pitsarana namoaka ireny rehetra ireny. “Lasa fitaovana amin’ny tsy fanarahan-dalàna izy ireo”, hoy izy.
Nohitsiny fa natao barofo, toy ny tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ihany iny fifidianana ben’ny Tanàna iny. “Noho izany, tsy hanaiky tanteraka ny valim-pifidianana eny amin’ireo toerana nampiasana ordonance mihitsy isika”, hoy izy.
Synèse R.