ONU : « Mila havotsotra Rafanoharana Paul »

Natsikafon’ny “Groupe de travail sur la détention arbitraire” eo anivon’ny Firenena mi­kambana (ONU) ny 25 no­vam­bra teo, ilay “Raharaha Apollo 21”. Anisan’ny voaresaka manokana ilay Mala­gasy, Frantsay, Rafanoharana Paul. Notakin’izy ireo ny ha­motsorana azy io manoloana ny fiampangana azy ho nikasa hifofo ny ain’ny filohan’ny Repoblika. Eo koa ny fitakiana ny hanonerana ara-bola azy, araka ny voalazan’ny lalàna iraisam-pirenena.
Notanisain’ity sampan’ny ONU ity fa nisehoana tsy fanarahan-dalàna teo amin’ny fitsarana sy ny fomba fiasan’ny mpitandro filaminana tamin-dRafanoharana Paul. “Nanomboka tany amin’ny fisamborana ka hatrany amin’ny famoahana ny didy fanamelohana”, hoy izy ireo. Manampy izany ny fotoana nanaovana andrimaso azy. Nihoatra ny 48 ora izany ka lasa 15 andro. Nohitsin’ity sampan’ny ONU ity koa fa tsy voaporofo mazava ny fanamelohana 20 taona, sazy an-terivozona azy ka manamarina fa nikasa hanongam-panjakana sy hifofo ny ain’ny filoha. “Tsy nomena zo hiaro tena sy hitondra porofo mandiso ny vesatra iampangana azy koa Rafanoharana Paul tamin’ny fotoam-pitsarana”, hoy ny ONU. Notsindrin’izy ireo fa tsy tokony ho niharan’ny didy fampisamborana io olona io.
Niantso ny fitondram-panjakana ity rantsan’ny ONU ity mba hanokatra fanadihadiana lalina sy tsy mitanila anatin’ny fotoana fohy ahitana ny marina sy ny tena zava-nisy momba ny raharaha “Apollo 21”. Eo koa ny handraisana fepetra manoloana ireo endrika fanitsakitsahana ny zony.

Synèse R.

Partager sur: