Minisitra Mara Volamiranty Donna : « Fanakorontanana ny hoe tsy fahatomombanan’ny fifidianana »

“Fanakorontanana saim-bahoaka sy kajikajy politika diso ny firesahana hoe tsy fahatomombanan’ny fifidianana, fa nizotra araka ny fenitra demokratika izany”. Io ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Sersera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny go­vernamanta, i Mara Volami­ranty Donna, tao amin’ny RNM, afakomaly, momba ny namoahan’ny Ceni ny vokatra vonjimaika tamin’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly. Efa miova tanteraka ny fijerin’ny Malagasy ny politika eto Madagasikara, raha miainga amin’ny voka-pifidianana vonjimaika.
Ho an’ny Faritanin’Antana­na­rivo no atao fandrefesana, niakatra ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy: 48,79%. Tsy araka izay lazaina eny amin’ny tambajotran-tserasera hoe nihena izany. Midika izany fa atokisana ary matoky an’ireo rafitra voafaritry ny lalàna amin’ny fikarakarana fifidianana ny vahoaka, ary matoky ny governemanta satria izay koa araka ny lalàna no miantso ny mpifidy. Raha rafitra tsy atokisan’ny vahoaka, mazava ho azy fa mihena ny taham-pahavitrihana. Matoky ny fitondram-panjakana sy ny Ceni ny vahoaka malagasy.
Tsy mora ny fifidianana fa mandresy lahatra sy maka ny fitokisan’ny vahoaka. Miverina amin’ny vahoaka ny fahefana amin’izany. Sarotsarotra ihany raha 1 695 kaominina manerana an’i Madagasikara no hoe nangalaram-bato. Nefa hita fa afa-niatrika an’izany fifidianana izany tao anatin’ny filaminana ireo 1 695 kaominina ireo. Naka lesona sy nandinika tamin’ny fifidianana depiote ny vovonana Irmar: natambatra ny hery ary tsy niparitaka ny vato. Izay no nahitana ny voka-pifidianana. Ho an’ireo teny ankilany kosa, raha tokony hitambatra dia niparitaka ny vato satria maro ireo kandidà.

R. Nd.

Partager sur: