Maherin’ny 47% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy ho an’ny faritanin’Antsiranana, araka ny nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama, tamin’ny famoahana ny voka-pifidianana ny sabotsy teo. Nanteriny fa tsy mpifahavalo akory ny kandidà. “Mpifaninana ireo ka ny mandresy tsy hobiana ary ny resy tsy akoraina”, hoy izy.
Mitarika vonjimaika ao Mahajanga, araka ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna navoakan’ny Ceni ny avy amin’ny Irmar, Solofomanga Heriniaina. Nahazo vato maherin’ny 46% ny tenany tamin’izany. Eo amin’ny laharana faharoa ny kandidàn’ny HVM, Rakotovao Rivo, amin’ny salanisa 26% mahery.
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Transparency International-Initiative Madagasikara (TI-IM), omaly. Nohelohin’izy ireo ny tsy fanarahan-dalàna sy halatra ary fanodinkodinana manimba ny zotram-pifidianana. Teo koa ny fomba tsy mazava ikirakiran’ny Ceni ny voka-pifidianana. Tsy miaro ny fanjakana tan-dalàna sy ny hasin’ny vahoaka masi-mandidy izy ireo, araka ny fanambarana hatrany.
Nanao fanambarana tetsy Bel Air ny eo anivon’ny vovonana Firaisankina, omaly, manoloana ny fifidianana ben’ny Tanàna farany teo. Niantso ny herivelona rehetra hitsangana izy ireo. Nohitsin’izy ireo fa nisehoana tsy fanarahan-dalàna sy hosoka ary hala-bato ny fifidianana tamin’ny kaominina maro manerana ny Nosy.