Ifi : “Aza korontanina ny vahoaka”

“Raha voafidy ianao, arahaba soa: raiso ny fitondrana. Tsy voafidy ianao, mipetraka tsara ary miandry ny dimy taona manaraka, fa aza korontanina ny vahoaka”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny vovonana Isika fikambanana miara-dia amin’i Andry Rajoelina (Ifi), ny pasitera Razafindramanitra Nestor, manoloana ny fisian’ny fidirana antsokosoko tamin’ny site web-n’ny Ceni ka nanova ny voka-pifidianana ho an’Antananarivo Renivo­hitra, ny faran’ny herinandro teo. Nifaninanana ny tena, efa namoaka hevitra: raha tsy voafidy, misaora ny mpifidy. Misaotra ny mpifidy izy, misaotra ny kandidà Harilala Ra­manantsoa, misaotra izay nifidy sy izay tsy nifidy… Olona mahay lalàna ny eo anivon’ny Ceni. Tany tan-dalàna i Mada­gasikara.
Misaotra an’Andriamanitra isika raha vita soa aman-tsara ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Izay tsy voafidy, tsy maintsy mamorona hatrany… Izay tsy voafidy, ailika amin’ny hafa hatrany ny fahavoazana. Rehefa voafidy izy, tsy miteny be toy izany. Fifaninanana masina ny fifidianana, ary tany demokratika i Madagasikara. Misy ny mpikarakara fifidianana: ny Ceni. Afa-miditra ao amin’ny site web-ny ny tena, afa-manova izay tiana hovana ao. Hain’ny olona izany. Manantena izy fa hiasa ireo mpanao fanadihadiana momba ny heloka ana habaka: iza no tena nanao an’izay fidirana antsokosoko tao amin’ny site web-n’ny Ceni izay? Fanakorontanana ny firenena izay. Arahabaina izay voafidy rehetra; izay tsy voafidy, ankaherezina.

R. Nd.

Partager sur: