Trafikana sokatra : Depiote nalefa any Tsiafahy

Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, ny alakamisy alina teo, ny depiote iray sy ireo mpiara-miasa aminy, tompon’antoka tamina raharaha fanondranana sokatra antsokosoko.

Tsy afa-bela! Nidoboka avy hatrany eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, ny alakamisy alina teo, ilay de­piote iray voafidy tao Soa­vinandriana Itasy sady inspecteur de police sy ireo mpiara-miasa aminy, voarohirohy tamina raharaha trafikana sokatra. Somary alinalina ihany vao vita ny fihainoan’ny fampanoavana ireto voarohirohy ireto ka izao niafara ta­min’ny fampidirana am-ponja izao. Ny alatsinainy 23 desambra 2024 izy ireo no tratran’ny zandary teny Ante­hiroka niaraka tamin’ireo sokatra miisa 112 nokasaina haondrana antsokosoko. Ni­tondra fanazavana momba ity raharaha ity ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy (Medd), i Max Andonirina Fontaine. Nambarany fa sokabato ny 111, raha sokatra radiata kosa ny iray. « Ireto sokatra ireto, voasokajy ao anatin’ny lalàna eto Madagasikara sy iraisam-pirenena ho tsy azo atao ny fitrandrahana azy, ny fitazonana, ny fivarotana, ny fanondranana ireo biby ireo », hoy izy. Fiara roa no nitondra ireo sokatra ireo : ny iray nitondra sokatra miisa 107, raha dimy kosa ny tao anatin’ny fiara iray faharoa.
Miisa 2 499 ireo sokatra

Nomarihiny fa nametraka fitoriana ny Medd ka mangataka ny hanomezana sazy hentitra amin’ireo mpanao trafika. « Ny tanjona dia ny fandravana tanteraka ny tambajotra rehetra sy ny fanakanana ny fanaovana izany. Miteraka fatiantoka ara-toekarena rahateo ny fanaovana ny trafikana sokatra », hoy ny Medd. Nohamafisiny tamin’ny alalan’ny fanomezana antontanisa fa nahatratra 2 499 ireo sokatra tratra saika hamidy na haondrana tamin’ity taona 2024 ity, raha 72 kosa ireo varika. Ho an’ny resaka mom­ba ny sokatra, 19 ireo raharaham-pitsarana, raha 29 kosa ireo olona voampanga. Ny 22 amin’ireo naiditra am-ponja raha fito no efa voasazy. Man­gataka ny hanaovana fanadihadiana lalina ny Medd mba hamongorana tanteraka ireo mpanao trafika na eto an-toerana izany na iraisam-pirenena.

Jean Claude

Partager sur: