Ambositra : Vola sandoka 16 tapitrisa Ar saron’ny zandary

Vola sandoka 16 tapitrisa Ar tra-tehaky ny mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Morafeno, kaominina Ambositra, afakomaly. Ankizy nanao ankiafina no niditra tao amin’ny trano iray. Nisava­sava amin’ny maha zaza azy ireo, nahita harona plastika nisy vola sandoka tao aminy. Nanatona ny tomponandraikitry ny tanàna avy hatrany izy ireo. Nampiantso ny mpitandro filaminana, taorian’izay, ny lehiben’ny andrimasom-pokonolona. Natao ny fisavana ny trano. Vola sandoka roa alina sy iray alina, mitetina 16 420 000 Ar ireto nafenina tao anatin’ny trano ireto. Tsy nisy olona nipetraka tao amin’ilay trano nahitana ny vola. Nanao fikarohana ny zandary. Vokany, nosamborina natao famotorana tany amin’ny toerana voalaza fa fonenany ilay tompon-trano. Hatreto, tsy fantatra mazava ny tompon’antoka tamin’ny fikasana hanaparitaka ireo vola sandoka ireo. Marihina, vao roa he­rinandro lasa, nahatraran’ny polisy lehilahy nanaparitaka vola sandoka teo Antoho­ma­dinika, Antananarivo. Lasiba­tra avokoa ireo mpivarotra atody teo an-toerana ka nandrasan’izy ireo kendry tohina io olon-dratsy io. Ity farany izay efa notanana any am-ponja.

Tsiferana R.

Partager sur: