Hafatry ny fiangonana Anglikanina : “Aoka isika tsy hanary ny fanantenana”

Anisan’ireo nitondra hafatra amin’izao fankalazana ny fetin’ny Noely izao koa ny eo anivon’ny fiangonana Angli­kanina (EEM) eto amintsika. Nitondra fampaherezana mba tsy ho mora kivy sy mivavaka ho an’ny kristianina ary ny vahoaka malagasy izy ireo tamin’izany. “Aoka isika tsy hanary ny fanantenana manoloana izao fahasahiranana iainana izao… Mirary Krismasy sambatra sy taom-baovao fifaliana ho antsika rehetra ny fianakaviamben’ny EEM”, hoy ny hafatra.
Anisan’ny nanamarika ny teo anivon’ity fiangonana ity, amin’izao volana desambra izao, ny fivoriambe nataon’izy ireo tany Mahajanga, nanomboka ny 18 hatramin’ny 24 de­sambra teo. Nialoha izany ny fivoriana antsoina hoe Pro­vansa, ny 16 hatramin’ny 24 desambra, tany an-toerana ihany, ka nahavoafidy ny evekan’i Fianarantsoa, ny Mgr Rateloson Rakotondravelo Gilbert, ho arsevekan’ny provansa Eklesiastikan’ny ranomasimbe Indianina. Teratany malagasy faharoa mitantana izany ny tenany, taorian’ny Mgr Rabenirina Remi Joseph, nisahana izany andraikitra izany teo aloha. Efa notanterahina ny 19 desambra teo ny fametrahana azy amin’izany toerana sy andraikitra izany.
Teo koa ny fanamafisana sy fametrahana amin’ny seza fiketrahany ny evekan’i Maha­janga, ny Mgr Darrell Critch. Notanterahina ny alahady 15 desambra teo izany.
Tsiahivina fa anisan’ny mandrafitra ny eo anivon’ny FFKM ny fiangonana Anglika­nina (EEM) ary anisan’ireo filoham-piangonana  efatra miara-mitantana izany ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona, mitarika ity fiangonana ity.

Synèse R.

Partager sur: