Namearison Robert : “Tokony havoakan’ny Ceni hatrany ny voka-pifidianana vonjimaika”

Naneho hevitra ny KMF/Cnoe momba ny famoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana. Zon’ny vahoaka ny fahazoana vaovao momba izany, araka ny nambarany.

“Tsy tokony hatao takalonaina amin’izany ny fiainam-pirenena. To­kony hitovy avokoa ny olona rehetra eo anatrehan’ny lalàna natao ho an’ny rehetra. Noho izany, tokony havoakan’ny Ceni hatrany ny voka-pifidianana vonjimaika. Zon’ny olom-pirenena ny fahazoana vaovao, ary zo fototra apetraky ny lalàmpanorenana”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabea­zana olom-pirenena, i Namea­rison Robert, tany Morondava, omaly, momba ny tsy famoahan’ny Ceni voka-pifidianana vonjimaika noho ny fisian’ny fanovana izany antsokosoko ho an’Antananarivo Renivo-hitra. Safidin’ny olom-pirenena no nalefa tamin’ny fifidianana. Noho izany, manana adidy aman’andraikitra amin’ny fa­moahana ao anatin’ny fangaraharana ny safidin’ny olona ry zareo.
Fahalemen’ny Ceni ny tsy fahalavorarian’ny fiarovana voka-pifidianana. Tsy tokony harovana mafy ve izay, na hisy mpangalatra na tsia? Tsy ny fahalemen’ny rafitra informa­tikan-dry zareo no hametra­hana ny zon’ny olom-pirenena. Anjarany ny manatsara ny rafitra. Mazava fa manome vahana ny tsaho no mety ho vokatry ny tsy famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika. “Mino ve isika fa hino intsony ny zavatra hivoaka eo ny olona?”, hoy izy. Tokony hitondra fanazavana sy handray fanapahan-kevitra ny Ceni mba hisian’ny fitoniana. Tokony hanamafy izao tenin’ny KMF/ Cnoe izao, angamba, ny va­hoaka hoe: avoahy hatrany ny voka-pifidianana, fa zon’ny vahoaka izany. Anjaran’ny Ceni ny mametraka rafitra fiarovana izany. Tsy ny olona nanao ny olana no niteraka olana, fa ny vahoaka no voahitsaka ny zony te hahazo vao­vao amin’ny voka-pifidianana.

R. Nd.

Partager sur: