Mpandika lalàna eny amin’ ny seranam-piaramanidina Ivato, enina mirahalahy naiditra am-ponja taorian’ny fampanoavana, ny zoma 27 desambra teo. Mibatabata entan’ireo mpandeha eny an-toerana ireto vatan-dehilahy ireto. Tsy vitan’ny maka an-keriny sy tsy misy fierana amin’ ny tompon’entana, simba noho ny tsy fitandreman’ireo lehilahy ireo ny ankamaroan’ny zava-tsarobidy anatin’ny valizy sy sakaosin’ny mpandeha. Iharan’ny halatra mihitsy aza ny ampahany amin’ny entana sasantsasany. Manararaotra mitaky vola amin’ireo voakasika anefa ireo lehilahy ireo. Voakasiky ny fahazaran-dratsin’ireo lehilahy ny ankamaroan’ny mpandeha ho any ivelany sy ireo vao tonga eto Madagasikara. Nanao hetsika manokana hanatrarana ireo voarohirohy, taorian’ny fitarainana miseholany voarainy ny zandarimaria miasa eo anivon’ny Seranana iraisam-pirenena Ivato. Vokany, voasambotra ireo enin-dahy samy mpanao io fihetsika tsy mendrika sy mifanohitra amin’ny fitsipika mipetraka ao an-toerana io. Niaiky ny helony, nentina natao famotorana lalina izy ireo, ka notanana vonjimaika any am-ponja.
Tsiferana R.