Anisan’ny andrasana amin’izao faran’ny taona izao ny ho lahateny hataon’ny filoha Rajoelina Andry. Tombanana fa hiresaka ny olana sosialy sy ny vina amin’ny taona vaovao ny tenany, ankoatra ny firarian-tsoa ho an’ny vahoaka malagasy.
Hanamarika ny taona 2025 ary hambaran’ny filohan’ny Repoblika, rahampitso alina, ny handraisantsika ny fivoriana iraisam-pirenena indroa miantaona. Anisan’izany ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) ka mety ahatongavan’ny filoha Frantsay, Emmanuel Macron, eto Madagasikara. Tahaka izany koa ny fihaonana an-tampon’ireo mpitondra firenena eo anivon’ny Sadc, hatao eto amintsika, ny volana aogositra 2025. Mifandraika amin’izany ny fanorenana fotodrafitrasa goavana, toy ny Lac Iarivo sy ny fanitarana ny lalana Tsarasaotra-Ivato ary koa ny Tsenabe ho an’ny asa tanana.
Hanamafy ny efa nambarany amin’ny famahana olana ny tontolon’ny herinaratra koa ny filoha Rajoelina Andry. Anisan’izany ny fametrahana ny fotodrafitrasa amin’ny angovo azo havaozina ho famahana ny delestazy. Eo koa ny efa firosoan’ny asa amin’ireo fanamboaran-dalana, indrindra ny lalam-pirenena sy ny lalambe migodana, Antananarivo mihazo an’i Toamasina.
Fiakaran’ny vidin-tsolika
Etsy andaniny, tsy azo hihodivirana koa anefa ny hiakaran’ny vidin-tsolika amin’ny taona ho avy io, araka ny fepetran’ireo mpamatsy vola mba hanitsiana izany amin’ny tena vidiny. Tombanana fa handroso vahaolana amin’ny mety ho fiantraikan’izany amin’ny sosialim-bahoaka ny fitondram-panjakana. Tahaka izany koa ny fepetra horaisina manoloana izao fiakaran’ny vidim-piainana izao, indrindra ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN), toy ny vidim-bary. Anisan’ny ampahany amin’ny mety ho lahatenin’ny filohan’ny Repoblika ireo, amin’izao hamaranana ny taona sy hiatrehana ny taona 2025 izao.
Synèse R.