“Andrimpanjakana lehibe ny Antenimierampirenena: tsy fieren’ny mpanao ratsy! Aoka handray ny andraikitra maha depiote amin’ny fahitsiana, fanarahan-dalàna, sy famongorona ny kolikoly”. Io ny fanambarana navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar (TI-MG) tamin’ny tambajotran-tserasera, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny nahavoasaringotra ny depiote voafidy tao Soavinandriana Itasy tamin’ny fikasana hanondrana antsokosoko sokatra. Tsy fitaovana azo ampiasana ho fiarovana amin’ny heloka natao ny tombon-jon’ny mpikambana ao amin’ny parlemanta (immunité parlementaire). Aoka tsy hisy ny tsimatimanota, ary hampiharina amin’io depiote io sy ireo mpiara-miasa aminy ny asan’ny fitsarana, ka hahazo ny saziny araka ny lalàna izy ireo.
Henatra bevava ho an’ny firenena ny raharaha fangalarana sokatra, izay biby arovan’ny lalàna eto Madagasikara. Mahakivy raha olom-boafidy no mahavanon-doza mahamenatra toy izao. Refesina amin’izao toe-javatra izao koa ny tsy fahavononana hiady amin’ny tsy rariny sy hanohitra ny kolikoly. Vakiana fotsiny fa tsy fitiavan-tanindrazana no nirotsahana ho depiote fa faniriana hahazo fahefana hanaovana raharaha maloto.
Mbola mihantona any ny raharaha depiote momba ny hazo sarobidy tao Ambatondrazaka, Alaotra Mangoro. Endrika iray amin’ny tsimatimanota koa izany. Toy izany koa ny raharaha momba ny depiote teo aloha voafidy tao Vohibato ny amin’ny fitsaram-bahoaka tao Lalazana Ambony, Mahatsiatra Ambony. Irian’ny TI-MG ny ao amin’ny Antenimierampirenena mba handon-databatra sy hanambarana ary hitsipaka ireo fomba ratsy sy ireo mpanao azy, fa namana amin’ny ady amin’ny kolikoly sy amin’ny ady amin’ny tsy fanarahan-dalàna ry zareo.
R. Nd.