Filoha Rajoelina Andry : Ho taona hametrahana fanamby goavana ny 2025

Ho vaindohan-draharahan’ny fanjakana ny famahana ny olan’ny jiro sy rano. Ho jerena ny fitsimbinana ny vahoaka. Ambony ny fanamby amin’ny fampahafantarana an’i Madagasikara any ivelany. Ireo no vontoatin’ny lahatenin’ny Filoha Rajoelina Andry, afakomaly.

“Ity taona vaovao ity dia ametrahantsika fanamby goavana. Koa mino sy matoky aho fa ireo dingana atrehintsika dia hampisongadina an’i Madagasikara ary hampandroso ny firenena”, hoy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, afakomaly. Nason­gadiny nandritra ny lahateny nataony tao amin’ny RNM sy TVM, namaranana ny taona izany. Ankoatra izay, nohamafisiny fa : “Tokantrano miisa 837 000 no hisitraka ny tetikasa Tsimbina eto Anta­nanarivo sy amin’ny faritra ary distrika manerana an’i Mada­gasikara. Ny antsasaky ny tokantrano eto Antananarivo Renivohitra dia hisitraka izany avokoa”. Efa natomboka ny fanampiana ary mbola hitohy, tsy hijanona raha tsy tapitra mahazo ny antsasa-manilan’ny tokantrano eto Antana­narivo.
Nasiany tsindrim-peo ma­nokana ny herinaratra sy rano izay mampijaly vahoaka. Hapetraka ny foibe 105 MW, hanafoanana na hampihenana ny delestazy. Ho vita alohan’ny 26 jona izany. Tanjona ny hialana amin’ny fanofana milina mpihary herinaratra amin’ ny orinasa tsy miankina. Ho hafainganina ny famokarana angovo azo havaozina avy amin’ny rano sy ny masoandro: 64 MW ao Ranomafana. Afaka telo taona sy tapany vao ho vita ny asa. Hapetraka ny takela-masoandro mpamokatra herinaratra 100 MW eto Antananarivo Renivohitra. Miampy bateria fitahirizana 100 MW, izay hahazoana tahirim-bola 21,240 miliara Ar isam-bolana na 254,880 miliara Ar isan-taona.
Nasiany teny ny amin’ny fananganana tobim-pamokarana rano vaovao eny Amoronankona, hamokatra 50 000 m3 isan’andro, ny eny Ambohitrimanjaka 30 000 m3, Mandroseza III 20 000 m3… Eo koa ny ny fanovana ny fambolem-bary hanatrarana 7 hatramin’ny 10 t isaky ny ha, raha 3 t izany amin’izao; ny fanamboaran-dalana vaovao, ny fananganana foibe fandraisana fivoriana iraisam-pirenena sy ny Lapan’ny kongresy.

R. Nd.

Partager sur: