Kardinaly Tsarahazana Desiré : “Tena tsy rariny intsony ny fahantrana “

Niarahaba sy nirary soa ho an’ny vahoaka sy ny kristianina ny kardinaly, ny Mgr Tsarahazana Desiré, amin’izao taona 2025 izao. Nam­piaiky azy ireo ny zava-misy iainana eto amin’ny firenena ka nambarany fa tsy sitrak’ Andriamanitra ny mahita ny vahoakany mijaly. Nanteriny fa tokony hiezaka hanao ny tsara isika.
“Tsy rariny ary tena tsy rariny ny fahoriana sy ny fahantrantsika Malagasy. Tsy rariny izao mangetaheta am­bony lakana izao”, hoy ny kardinaly, Tsarahazana Désiré. Notsindriny tamin’ny fiarahabana sy firariantsoa nataony izany, amin’izao taom-baovao izao. “Mam­palahelo ny mahita ny Malagasy mandositra ny fireneny, te ahita fiainana metimety kokoa.”, hoy izy.
Niaiky anefa ny tenany fa samy tomponandraikitra ny rehetra. “Aoka tsy hifanilika andraikitra ny madinika sy vaventy.”, hoy izy. Nohitsiny fa tsy ampy ny fanaovan’ny kristianina “Aleloia, Amen” fotsiny ao am-piangonana. Tokony hanova ny fiainana ho amin’ny tsaratsara kokoa ny vavaka atao. Tsy mety ny milamin-tsaina amin’ny fanaovan-dratsy, raha ny nambarany hatrany. “Mila mibebaka isika. Tsy handroso isika raha tsy mibebaka”, hoy ny Kardinaly.
Hentitra koa ny hafatry ny filohan’ny FJKM, ny Dr Andria­mahazosoa Irako Ammi, amin’izao taona vaovao izao. Nambarany fa tsy tokony hanao taom-baovaon’ilay “Kely”: “Ny taona no vaovao fa izy mijanona ho totakely…”. Mbola nampiany fa tsy tokony hanao taom-baovaon’ilay adala. Manao an’Andria­ma­nitra ho tsy misy ka mitsambiki-mikipy. Nambarany koa fa tsy tokony hanao taom-baovaon’ilay mpanao isan-kerintaona. Nentaniny ny rehetra hohetsehin’ny fitiavana ka hametraka ho ambony ny fahamarinana. Tsy hihemotra manoloana ny fanenjehana ary miloloha ny voninahitr’ Andriamanitra.

Synèse R.

Partager sur: