Nitsikera ny tsy fahaiza-mitantan’ny filoha Rajoelina Andry ny lahatenin’ny filohan’ny mpanohitra eny amin’ny Antenimiera, Randrianasoloniaiko Siteny, afakomaly. “Tsy maintsy hiakatra ny vidim-piainana , ary ho mafimafy kokoa izany vokatry ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra”, hoy izy. Nohitsiny fa lasa voalohany amin’ny fahantrana ny vahoaka malagasy.
Taona niainana fangirifiriana sy fijaliana ny taona 2024 iny, araka ny lahatenin’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc. “Anisan’izany ny nisamborana ny solontenan’ny Tim eo anivon’ny Ceni sy ny zanany ka nilazana fa mikasa hanongam-panjakana”, hoy izy. Nilaza ho sahy mijoro amin’ny tsy nanaovan’ireo olona ireo ratsy ny tenany.
Hapetraka amin’ny maha evekan’i Farafangana azy ny Mgr Randriamamonjy Marcellin. Notendren’ny papa Fransoa amin’izany izy ny 31 oktobra teo ary izao handray ny toerany ny alahady izao. Nametra-pialana nandeha nisotro ronono ny eveka teo aloha, ny Mgr Gaetano Di Pierro. Ho avy any an-toerana avokoa ireo eveka.
Hamory ireo resy lahatra amin’ny hampitambarana ny herin’ny mpanohitra ny eo anivon’ny RMDM, rahampitso, etsy Bel Air. Nambaran’ny mpitarika, ny pasitera Tsarahame Edouard, fa famaliana ny antso nataon’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, izany ka niantsoan’izy ireo sy nanentanany ny rehetra ho tonga amin’izany fihaonambe izany.