Fiarahamonim-pirenena Safidy : “Azo atao ny fitoriana fanalana an-daharana kandidà”

Nampahatsiahy ny momba ny fifanolanana ara-pifidianana na koa ny amin’ny fitoriana tokony hatao, ny eo anivon’ny Safidy tamin’iny fifidianana ben’ny Tanàna iny. Anisan’izany ireo dingana samihafa tokony harahina.

Nambaran’izy ireo ao amin’ny pejy facebook fa afaka mitory eny amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana, “Tribu­nal Administratif – Taf”, ny kandidà na ny mpifidy manoloana ny fifanolanana ara-pifidianana. Azon’ny mpitory atao ny mangataka ny hanafoanana amin’ny ampahany na manontolo ny vaton’ny kandidà iray. Azo atao koa ny manafoana ny voka-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato iray na fari-pifidianana iray. “Zon’ny mpitory ny mangataka ny hamerenana tanteraka ny fifidianana na koa ny fanalana an-daharana kandidà”, hoy ny eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena, Safidy.
Notsiahivin’izy ireo, amin’izany, ny fomba fandrafetana ny taratasy famakiana ady, ny fepetra ahazoana mandray ny fitoriana. Eo koa ny momba ny fametrahana izany eny amin’ny fitsarana mahefa.

Mety mbola hiova ny ben’ny Tanàna
Na izany aza, efa tapitra ny paikady ny fitoriana momba ny zotram-pifidianana ho an’ny hala-bato, fividianana olona, biraom-pifidianana tsy nisokatra… Tokony ho natao 10 andro taorian’ny fifidianana ny fitoriana amin’ireo tranga ireo ary mialoha ny nanambaran’ny Ceni ny voka-pifidianana vonjimaika. Ani­san’ ny efa nanao izany ny eo anivon’ny Tim, ho an’ny fifidianana eto Antananarivo Reni­vohitra.
Etsy andaniny, afaka mampiakatra ny raharaha ho fandravana didy, eo anivon’ny Filankevi-panjakana, “Conseil d’Etat”, ny mpitory raha mbola tsy afapo amin’ny didy avoakan’ny “Tribunal Administratif-Taf”. Tsy mampihantona ny didy nivoaka anefa io rantsam-pitsarana io. Midika izany fa mety ho lany Ben’ny Tanàna ilay kandidà toriana, saingy misolo io olom-boafidy io, volana vitsy aty aoriana raha mandresy ilay mpitory.

Synèse R.

Partager sur: