“Raha tena fanjakana tan-dalàna tokoa i Madagasikara, ka tsy hakorontana ny zava-misy sy ny fiainam-pirenena: tokony hisy lalana ahazoana mivoaka sy ahitana ny marina any amin’ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko Vonona hijoro ho an’ny tanindrazana (VHT), Razanakoto Norbert, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fiandrasana ny vokatra ofisialy tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna, natao tamin’ny 11 desambra 2024, izao. Mba hivoaka ny marina ny amin’izany fifidianana izany. Mba hiharan’ny lalàna avokoa izay nandika lalàna sy nangala-bato ary nanao zavatra tsy milamina. Mba ho taona vaovao anjakan’ny filaminana sy fandriampahalemana ary demokrasia mbamin’ny fanjakana tan-dalàna tokoa ny taona 2025.
Raha atao jery todika ny fanaovana politika eto Madagasikara, tamin’iny taona 2024 iny, mihemotra ny demokrasia. Misy ny tsy fihainoana ny hafa, fa izay tiana hatao ihany no hatao. Fomba fiteniny ny hoe azo raisina fa tsy mitombina. Fa ny zava-misy eto Madagasikara: mitombina fa tsy azo raisina. Mitombina ny fanehoan-kevitra ataon’ny olona, fa tsy azo raisina: tsy misy mihaino, tsy misy miraharaha. Gaga ny tena raha misy ny fanakianana mamaivay. Tsy mahazaka ny olona, ary miezaka miteny.
R. Nd.