FANTINA sy FINTINA

“Melohiko ny fanimbazimbana ny mpitarika ny fiangonana”, hoy Andrianainarivelo Hajo. Nambarany fa kristianina ny tenany ary mpino FJKM ka tsy mankasitraka ny fihetsik’ireo mpanohana ny fitondrana nanao izany. “Mankahery ny filoha Andriamahazosoa Irako Ammi izahay ary miangavy azy hivavaka ho an’ireo mpanenjika”, hoy izy.
Nambaran’ny depiote tsy miankina, Rajerison Antoine, fa tsy mahazaka lesona ataon’ny mpitondra fivavahana ny mpitondra. “Lasa diso manenjika fiangonana loatra ianareo fa tsy maka lesona amin’ny teny omeny. Te hanana ny tsara ny fiangonana matoa miteny ary mitsinjo ny hoavin’ny vahoaka noho ny fahoriana mianjady”, hoy izy.
“Tsy niova tamin’ny fomba fanaovana kabary ny filoham-pirenena. Mitantara ny vita sy mampanantena ny hoavy, araka ny nambaran’ny mpitarika sendikaly, Rakotomanga Barison.
“Tsy nisy resaka mihitsy ny sosialin’ny mpiasa tao anatin’ny kabary. Diso fanantenana izahay Randrana sendikaly. Tsy misy vahaolana maharitra ho an’ny sosialy”, hoy izy.
Nanao fanambarana amin’ny mbola fijoroany sy fahavononany hiatrika ny 2025 i Fanirisoa Herinaivo, araka ny hafatra nampitainy amin’ny pejy facebook, omaly. Nirary fahasahiana sy finoana ho an’ny vahoaka handresen’ny rariny sy ny fahamarinana ny tenany tamin’izany. ” Misikina ary aoka ny tahotra hifindra lasy”, hoy izy.

Partager sur: