Tselatra

Niakatra fampanoavana omaly ireo olona miisa telo voatondro nisoloky olona tamina resaka « mercure ». Niseho teny Vontovorona ity fivadiham-pitokisana miharo fisolokiana ity, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray. Nambarany tamin’izay fa efa nahazo vola mitentina 5 tapitrisa Ar mihitsy ireo jiolahy tamin’ity raharaha ity.

Voasambotra afakomaly atoandro teny amoron’ny lalam-by teo Andrefan’Ambohijanahary ny vehivavy iray voatondro ho mpivarotra rongony. Fantatry ny polisy ny fisiana mpamatsy rongony eny amin’io faritra io ka natao ny fanadihadiana rehetra. Tsikaritra tamin’izay fa misy andiana tovolahy maromaro mifamezivezy matetika eny akaikin’ny tranon’ity vehivavy ity. Voasambotra taorian’izay izy. Araka izany, sarona tao aminy ny fonosana rongony 78 isa sy rarany 300 grama. Nambarany fa eny Ambohimanarina no angalany ireo zava-mahadomelina ireo. Isaky ny roa andro koa no angalany izany. Vita izay, tsinjarainy ho fonosana maromaro izany ka amidiny amin’izay mila azy.

Partager sur: