Ô rey olona e ! tsy mivalona akory ny herinandro voalohany amin’ny taona, olona miresaka miaraka amin’ny onja miiba sy saina « ratsy » no henonao eny rehetra eny. Mahasadaikatra ny hiresaka ilay izy, kanefa nahavoa hatrizay io fanarontsaronana ny zava-misy sy ny loza manambana na mitatao amin’ny fiarahamonina io ihany. Sanatrian’ny vava, izay misintona lakolosy any amin’ny tsy izy fa ny hanongotsongona ny maty hono, ny tahotra ny handevim-belona. Mialoha izany anefa, aleo hoy ny fahendrena malagasy misoroka, toy izay mitsabo.
Inona daholo ary izany, hoy isika ? ity raharaham-pirenena misafotofoto, noho ny resaka politika, ity no handeha ho resahina. Taom-pifidianana rahateo ny 2023, ny Ceni aza efa nametraka ny tetiandrony. Malaza ny hisian’ny korontana mialoha na aorian’izany. Efa misy ny mivoy tetezamita, iaraha-mitantana. Manginy fotsiny ny manombatombana ny mety hisian’ny « ra mandriaka » sy ny « faty olona ». Vahotra ny lela, miraikitra ny tanana hanoratra satria amin’izao vanim-potoana izao tokoa ve dia mbola hisy toe-javatra toy izany ? Ny vidim-bary aza, vao omaly no niakatra 50 hatramin’ny 100 ariary ny kilao eny an-tsena. Tsy lazaina intsony ny tsy fandriampahalemana sy ny tsy fananana asa. Ho ampiana korontana indray?
Raha samy olom-pirenena, milaza fa tia tanindrazana sy mifampitsinjo amin’ny mpiara-belona isika, heverina fa tsy ho tonga amin’izany intsony. Mila filaminana sy fitoniana, ary fifantohana amin’ny fiaraha-mitady vahaolana momba ny olana sosialy sy toekarena izao. Vanim-potoana ilana ny firaisankinan’ny malagasy izao. Tsy hanaiky atao fitaovana na sorona intsony noho ny kajikajin’ny maty fanahy. Latsaka an-katerena ny firenena, efa manomboka banky rompotra ny kitapom-bolam-panjakana. Mety hisy ifandraisany amin’izay itony fametraham-pialan’ny governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara itony. Tsy maintsy mitady hirika isika hivoahana ny tonelina miaraka. Tsy misy fahagagana eo !
Araraotina ny fifampatsiahivana, mikasika ny fianantsika sarababem-bahoaka. Efa mavesatra ny vidim-piainana sy ny kirizy amin’ny endriny samihafa. Mila mahay maka lesona isika mianakavy, tsy hotafiditra anatin’ny velam-pandriky ny mpitady seza sy ny mpiady tombontsoa manokana. Firifiry izay ny olana nolalovana, nahafatesana « mpitolona » saingy inona no setrin’izany ? Ra latsaka an-tany, very an-javony fotsiny daholo.
Ambava homana, am-po mieritreritra daholo.
r.r