Poketra nisy finday roa sy vola an’ny relijiozy iray lasan’ ny mpangalatra, tao am-piangonana teny Malaza Andoharanofotsy, ny alahady 5 janoary teo. Nandritra ny lamesa fidirana fahatelo, nampandray tao amin’io toeram-piangonana io ilay relijiozy. Netin’ny fahatokisana, napetraka teo amin’ny seza ny poketra. Tao anatin’ny indray nipi-maso, sendra nihodina nanao ny asa fanompoana izy kinanjo tsy hita intsony ilay poketra. Tsikaritry ny mpiangona fa nisy roa lahy nivezivezy teo amin’ny toeran’ilay relijiozy. Tsy fantatra ny nandosiran’izy roa lahy ahina ho nangalatra ny poketra. Eo am-panatontosana ny fikarohana ny nahavanon-doza ny mpitandro filaminana. Marihina, efa tafiditra hatrany amin’ny toeram-pivavahana ny mpangalatra ka mila mailo ny tsirairay.
Tsiferana R.