Andohatapenaka: jiolahy telo maty voatifitry ny polisy

Nirefodrefotra ny poa-basy teny Andohatapenaka, afakomaly. Jiolahy telo lahy lavon’ny balan’ny polisin’ny UIR tamin’ny 11 ora alina. Na­haray loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa misy olona efatra mampiahiahy nihaodihaody teny amin’ny manodidina. Nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana ireo efa-dahy ireo ka nivezivezy tsy an-kijanona teo amin’ny faritry ny Coco plastika An­dohatapenaka. Nihatrana teny an-toerana, araka izany, ny polisy. Namoaka fitaovam-piadiana avy hatrany anefa ireo olon-dratsy. Nanohitra ny mpitandro filaminana izay nanao fanamiana sivily. Vokany, maty voatifitra ny telo lahy raha toa ka tafaporitsaka tao anatin’ny haizina ny namany iray. Mitohy ny fikarohan’ny mpitandro filaminana ireo efa-dahy nitam-piadiana nan­droba volabe teo amin’ny Cosmos Andranomena. “Tsy misy ny tatitra marim-pototra tonga eny anivon’ny polisim-pirenena mombamomba ny sandan’ny vola voaroba ta­min’io fotoana io”, araka ny fanamafisan’ny tomponandraikitry ny serasera anivon’ny polisim-pirenena. “Tombana­na ho ilay 20 miliara Ar ihany hatreto no azo ambara”, hoy ny loharanom-baovao. Tsy nahazoana fanazavana kosa ny lasibatra.

Tsiferana R.

Partager sur: