Fiara tsy mataho-dalana roa an’ny solombavambahoaka iray teo aloha nogiazan’ny zandarimaria fa nahatrarana dingadingana «cocombre de mer» tsy ara-dalàna, teny amin’ny lalam-pirenena faha-6, omaly. Niainga avy ao amin’ny distrikan’Analalava saika hihazo an’Ambanja ireo fiara miisa roa ireo. Nanao ny asa fisafoana sy fitsirihana eny anivon’io lalam-pirenena io, saron’ny zandary ny fisian’ny zerikanina maromaro nentin’ireo fiara ireo. Natao famotorana ny mpamily saingy tsy nahazoana loharanom-baovao mazava. Nosavaina rahateo ny tao anatin’ny zerikanina. Voamarina fa dingadingana avokoa ireto nokasaina hoentina any Ambanja ireto. Nogiazana ireo fiara ireo sy ny olona roa nitondra ny fiara ka anisan’izany, ilay solombavambahoaka an’Analalava teo aloha. Hatao famotorana ny tompon’ny entana ka hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela ny raharaha.
Tsiferana R.