Lozam-pifamoivoizana: lehilahy maty voafaokan’ny taksiborosy

Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray voafaokan’ny taksiborosy tao amin’ny Travaux Besorohitra, Fianarantsoa, omaly tamin’ny 10 ora sy sasany maraina. Nikasa hihazo an’Ambohimahasoa, nivoaka tampoka ny arabe io fiara mpitatitra io ka nifaoka andrin-jiro. Voadona ny mpandeha an-tongotra iray. Vokany, nitsirara tamin’ny tany io lehilahy niharan-doza io ka tsy tana ny ainy. Ankoatra io, naratra ny olona miisa efatra tamin’ireo mpandeha tao anatin’ny fiara. Anisan’izany, ny zaza iray. Nentina nihazo ny hopitaly Tambohobe ireo naratra. Nandray an-tanana avy hatrany ireo mpitsabo. Tsy nisy ahina ny ain’ireo naratra. Araka ny loharanom-baovao, niala fiara maty an-dalana ilay taksiborosy kinanjo nidona tampoka tamin’ny andrin-jiro. Nentina natao famotorana eny anivon’ny mpitandro filaminana ny mpamily ilay fiara. Nentina teny anivon’ny tranom-patin’ny hopitaly ny razana ary efa eo am-pelatan’ny fianakaviany. Naiditra am-balam-pamonjana ilay fiara tra-doza. Hatreto, ny fanadihadiana no hamantarana ny tena antony nahatonga ity lozam-pifamoivoizana niseho omaly ity.

Tsiferana R.

Partager sur: