Nanao fanambarana ireo eo anivon’ny Komity iombonan’ny mpiasa (Kim) sy ireo sendikà ary ireo mpanao politika vitsivitsy. Nambaran’izy ireo, tamin’izany, fa efa tena halohalika ny ranom-bary. «Tsy mandeha ho azy ireny hafatra sy fanambarana nataon’ireo raiamandreny am-panahy ireny. Koa miantso ny herivelona eto amin’ny firenena izahay hikaondoha hiaraka hitady vahaolana isika», hoy izy ireo. Nanterin’izy ireo fa tsy misy mandeha amin’ny laoniny intsony ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. Notanisain’izy ireo tamin’izany ny fametrahan’ny mpitondra ny tombontsoany manokana ho ambonin’ny an’ny besinimaro. Manaporofo izany ny nanilihana ny mpiasam-panjakana rehefa vita ny nilana azy ireo tamin’ireo fifidianana nifanesy teto amin’ny firenena, araka ny nambaran’izy ireo. «Tsy nisy ny fanondrotana ny karaman’ny mpiasa nefa milaza ny fitondram-panjakana fa hijery sy hitodika amin’ny lafiny sosialy sy ny maha olona», hoy ihany izy ireo.
Manoloana izany, nohitsin’ ireto sendika sy mpiasa ary mpanao politika ireto fa fotoana izao hamondronana hery ho fanavotam-pirenena. «Miantso ireo herivelona rehetra eto amin’ny firenena izahay hiaraka hikaondoha eny amin’ny Arrupe Faravohitra isika, ny zoma 17 janoary ho avy izao», hoy ihany izy ireo. Anisan’ny hasain’izy ireo amin’izany ireo raiamandreny am-panahy, ny ara-drazana, ny firaisamonim-pirenena. Eo koa ireo mpanao politika ary ireo olom-pirenena tsotra resy lahatra fa tsy rariny intsony izao zava-misy eto amin’ny firenena izao.
Synèse R.