Voasambotry ny mpitandro filaminana ny 9 janoary 2025 teo, ireo jiolahy enina tompon’antoka tamin’ny firehetana tao amin’ny valanjavaboahary Andohahela, Faritra Anosy. Ny mpitandro filaminana eo anivon’ny sampandraharaham-paritra misahana ny Tontolo iainana no nahasambotra ireto jiolahy ireto. Fantatra fa tompon’antoka tamin’ny fandorana ala tao Emanaka, fokontany Ambaniala, kaominina Ampasay Nahampoana, Faritra Anosy. Vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ireo mpanome loharanom-baovao no nahafahana nikaroka ireo fanetriben’ny firenena ireo. Miroso amin’ny fanaovana fanadihadiana azy ireo ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ka hatolotra ny fitsarana aorian’ny famotorana. Jiolahy enina hafa koa indray voasambotra tao amin’ny kaominina Ankaramena, Faritra Anosy, voarohirohy tamin’ny fandripahana ny tontolo iainana. Nanao tavy tao anatin’ny faritra arovana Andohahela izy ireo ka niteraka ny firehetan’ny ala. Nanamafy hatrany ny minisitera sy ny mpitandro filaminana fa ilaina ny fifanomezan-tanana eo amin’ny fiarahamonina mba hahafahana manenjika ireo mpanimba ny tontolo iainana. Afaka miantso ny laharana maitso 955 ireo mahita olona mandoro tanety, araka ny fanazavana voaray.
Jean Claude