Amin’ny anaran’ny mangaraharaha, araka ny fitakiana. Nitondra valin-kafatra ho an’ny eo anivon’ny Ceni ny avy amin’ ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia (RMDM). Nambaran’ny mpitarika, ny pasitera Tsarahame Edouard, tamin’izany, fa nampahafantarin’ny Ceni sy naseho ampahibemaso ny taratasy fangatahan’ny kandidà Ravalomanana Tojo, ny ordonnance nahafahany miditra anaty lisi-pifidianana. “Koa takinay koa ny mangaraharaha hampahafantarana sy hamoahana ireo fangatahan’ny isam-batan’ olona ny ordonnances marobe tonga tao amin’ny Ceni ka nampidirina anaty lisi-pifidianana. Avoahy izany ho fantatry ny olom-pirenena”, hoy izy, omaly, tetsy Bel Air. Nohitsiny fa tsy tokony hatao kilalao ny fiainam-pirenena ka tokony havoaka anatin’ny fotoana fohy izany, araka ny nambarany.
Nanteriny fa nanara-dalàna ary manana zo hisitraka izany hahatafiditra azy ao anaty lisi-pifidianana Ravalomanana Tojo. Kandidà rahateo ny te-nany, araka ny fanamafisany.
Tsiahivina fa miisa 34 988 ireo nampidirina anaty lisitra ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra amin’ny alalan’ny ordonnance amin’ireo 68 479 nisitraka izany.
Etsy andaniny, mbola nanamafy ny hirosoana amin’ny fikaonandohan’ny herivelona, hotanterahina ny zoma 17 janoary izao, ity mpitarika ny RMDM ity. Anisany hasaina amin’izany ireo lehibe sy mpitarika antoko ary ireo avy amin’ ny fikambanana samihafa.
Synèse R.