Taksiborosy tra-doza: olona roa maty tsy tra-drano, maro ny naratra

Olona telo matin’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena roa samihafa nandritra ny faran’ny herinandro. Loza izay matetika mitranga noho ny fandehanana mafy sy ny tsy fitandreman’ny mpamily.

Vehivavy sy lehilahy niara-maty nateraky ny lozam-piarakodia tao Mampiherika Ambohitrarivo, Ambatondrazaka, afakomaly tamin’ny 11 ora maraina. Ni­kasa hihazo an’Antanambe io fiara mpitatitr’olona io. Ni­vadika, nifatratra tany anaty tanimbary ivelan’ny arabe ilay taksiborosy. Nandritra ny loza, mpandeha roa namoy ny ainy ary naratra ny ankamaroan’ireo mpandeha hafa. Mponina avy ao Ambohitrarivo ilay lehilahy maty raha toa ka avy ao Ampaintany ilay vehivavy. Matetika mandeha mafy ireo fiara mpitatitra amin’io lalana io ka antony mitera-doza tahak’izao, araka ny nambaran’ny mpandeha mivezivezy any an-toerana.

Kamiao nifaoka tsena

Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray niharan’ny lozam-pifamoivoizana tao Saha­valaina, anatin’ny lalam-pirenena faharoa, afakomaly. Nandeha mafy ka tsy nahatana familiana, nifatratra tamin’ny tsena amoron-dalana io fiarabe io. Niharan-doza, tamin’izany, ny lehilahy iray izay voa mafy ka nitarika ny famoizan’ainy. Ankoatra io, olona efatra hafa naratra. Vehivavy mitondra vohoka ny iray izay ahina ho efa ho teraka. Tsy misy ahina kosa ny fahasalaman’ny zaza ao an-kibony, araka ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Nentina eny anivon’ny hopitaly Brickaville avokoa ireo naratra mafy.

Tsiferana R.

Partager sur: