“Ianareo vahoaka, aza manaiky ampirisihin’olona. Na eo an-toerana io, na any ivelany. Ny any ivelany, tsy voakitika: inona moa no iraharahana izany? Ny eto Madagasikara, ampirisihiny ny tena, jereny fotsiny rehefa avy eo”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny jeneraly Ravalomanana Richard, tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Toby Ratsimandrava, Andrefan’Ambohijanahary, afakomaly, manoloana ny fandrahonana sy fampitahorana. Ireny no fampihorohoroana moraly. Tsy misy hery ry zareo no mahatonga azy manao an’ireny. Ny tanjon-dry zareo dia hatao izay hampisy korontana amin’ny famoahana ny valim-pifidianan ofisialy. “Tsy matahotra an’izany fampihorohoroana moraly izany izahay”, hoy izy.
Mampirisika olona ny mpanao politika, fa tsy misy mahasahy… Tamin’izy filoham-panjakana mpisolo toerana, nisy sekretera jeneralina antoko politika nilaza azy ho matanjaka: notazonina zandarmaria izy dia nanao mampalahelo satria tsy nisy nijery. Mbola nisy nitaky ny nivoahany, fa izy no niantso an-telefaonina ny tsy itakiana izany intsony. Nisy indray depiote, filohan’ny vondrona parlemantera mpanohitra avy eto Antananarivo, izay tena tokony hatanjaka: rehefa notazonina, tsy nisy nijery koa. Misy ny efa nanao ny resaka fandrahonana hoe legionera, hono. Raha mahay sy mahery izy, tokony hiverina aty Madagasikara hiara-miady amin’ny mpitandro filaminana am-perinasa amin’ny dahalo. Fa tsy any ivelany no hitabataba, hanao bolokim-bazaha any. Raha tena tia tanindrazana izy, miverina eto…
R. Nd.