19 taona nanolanana an-janany: mpanao baolina malaza naiditra eny Tsiafahy

Nalefa eny Tsiafahy ny raim-pianakaviana iray nanolana an-janany vavy tetsy Ampasamadinika. Niharan’ny
herisetra nandritra ny 19 taona io zanany io saingy izao vao nisy sahy nitoroka.

Naiditra am-ponja eny Tsiafahy ilay mpihira sady mpanao baolina malaza eto an-toerana ha­trany ampitan-dranomasina. Niakatra fampanoavana ny alatsinainy 13 janoary teo izy. Naiditra vonjimaika am-ponja taorian’ny fihainoan’ny mpi­tsara azy. 19 taona ny faha­retan’ny fanolanana nataony ny zanany vavy, izay lasa novadivadiany tao an-trano. Tsy vitan’ny mametaveta an-janany izy fa mbola raiketiny anatin’ny horonantsary avokoa ny ankamaroan’ ny fihe­tsika mamoafady nataony.
Nanda hatrany ny fiampangana azy ity raim-pianakaviana ity tamin’ny fotoana nisamborana azy. Tsy afa-nanda intsony, niaiky ny helony izy taorian’ny fahitan’ny polisy ireo horonantsary. Manaraka fitsaboana ilay vehivavy izay efa tsy nahatsiaro tena tamin’ny fotoana nidinan’ny mpitandro filaminana ifotony tao amin’ny trano fonenan’izy mianaka.

Nampijaliana
Naharay fitarainana avy tamin’ny tsara sitrapo ny polisy fa misy vehivavy 33 taona niharan’ny fanolanana na­taon’ny rainy niteraka azy. Naratra mafy vokatry ny vono sy fampijaliana, indrindra ny fanolanana nihatra taminy, io vehivavy io. Fatoran-drangahy lamba ny vavan’io zanany io mandritra ny fotoana hanaovany ny fanolanana ka tsy afaka niantso vonjy tamin’ny manodidina. Nidina ifotony tao Ampasamadinika izay toerana voatondro ho nisy ny nahavanon-doza ny mpitandro filaminana. Tratra tao an-tranony ilay rangahy. Araka ny fanadihadiana lalina nataon’ny polisy, nanomboka tamin’ny faha-14 taonany io vehivavy io no efa nanamparan’ilay lehilahy ny filan-dratsiny.

Tsiferana R.

Partager sur: