Minisitra Andriantsitohaina Naina: «Ho taonan’ny asa sy filaminana ny 2025»

Nanao rodombe tetsy amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ireo governoran’ny faritra sy ny talem-paritra manerana ny Nosy. Napetraka tamin’izany ny tanjona sy ny fanamby hiatrehina ny asa amin’ity taona ity.

Nirary soa ny minisitra Andriantsitohaina Nai­na, izy ireo ary nanolotra ny solombodiakoho amin’izao fahatongavan’ny taona vaovao 2025. Nivoitra tamin’ny teny fohy nataon’ny minisitra, tamin’izany, ny fanamby hatrehina. “Ho taonan’ny asa sy ny filaminana ny 2025 ka mba ho fahombiazan’ny vinan’ny fitondrana ho fampandrosoana izany”, hoy izy.
Efa nambaran’ny minisitra tamin’ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao teo anivon’ny minisitera izany. “Miha­zakazaka ny fotoana ary mandroso amin’ny asa avy hatrany ny ekipa rehetra manomboka izao raha iray fiomanana ny taona teo aloha”, hoy izy. Hotanterahina anatin’ny fotoana fohy koa ny ezaka takina amin’ny fitaleavana sy ny sampandraharaha rehetra ho amin’ny tombontsoan’ny va­hoaka.

Tsy misy indrafo amin’ireo mpangalatra tany

Tsiahivina fa anisan’ny fanambin’ny MFFT ny tsy handefitra amin’ireo mpangalatra tany, araka ny fampitana am-bava natao teo anivon’ny filankevitry ny minisitra, ny herinandro teo. Eo koa ny fampiatoana ny atao hoe: “Prescript­ion acquisitive”, anisan’ny paikady mahomby hiadiana amin’ireo tambajotra mpangala-tany izany. Natsangana koa ny ekipa manokana “Brigade spécialisée”, hihaino ny fitarainana sy ny hetaheta ka hamahana ny olan’ny fananantany. Miara-miasa amin’ireo sampandraharaha miady amin’ny kolikoly ity borigady ity mba hipetrahan’ny fangaraharana amin’ny fanatanterahana ny fikarakarana ny taratasy sy hiarovana ny zon’ireo iharan’ny antsojay. Eo koa ny hanatonana ny vahoaka amin’ny fikarakarana ny taratasin-tany, indrindra any amin’ireo toerana lavitry ny sampandraharaha sy ireo marefo ka nametrahana ny Birao solontenan’ny fananantany iraisana (BSFI).

Synèse R.

Partager sur: