“Raha tsy valina ny mpanohitra, toy ny hoe tsy mihaino ny vitsy anisa ny mpitondra. Mihaino ny rehetra ny fitondrana misy amin’izao. Satria mitovy zo ny vahoaka malagasy, ary tsara ny mba hihainoana ny hevitry ny mpanohitra. Koa raha misy famoahan-kevitry ny mpanohitra, inona ny mahadiso ny mamaly na manazava?”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tao Fianarantsoa tamin’ny anaran’ny Irmar, Rajoelina Seth, manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, isehoan’ny fifamalian’ny mpomba ny fitondrana sy ny mpanohitra. Ao anatin’ny tena manarina ny firenena sy manao ny ezaka isika izao. Taom-pifidianana ny teo, ary ao anatin’izany no anehoan’ny antoko ny heriny sy itsaran’ny vahoaka azy. Ny vahoaka ihany no tompon-tsafidy. Firenena demokratika isika. Amin’ny alalan’ny fifidianana no ahazoana fahefana voafaritry ny lalàmpanorenana.
Fantatra ny fomba entin’ny mpanohitra miady. Ao anatin’ny fanoherana mamaivay izao. Amin’ny alalan’ny voka-pifidianana hatrany no entiny miady nahazoany naka fahefana sy fanjakana. Izay hatrany ve no hatao? Tsy fanekena voka-pifidianana hatrany no entina hamoriam-bahoaka, na hanaovana korontana eto Madagasikara, raha ho tonga amin’izany. “Raha zavatra efa hita fa tsy mety no heverina hatao, fitiavan-tanindrazana ve izany?”, hoy izy ny amin’ny fisian’ny fikasana hamerina ny “Raharaha 2002”. Fitiavan-tena izany, ary izay no manimba an’ity firenena ity. Ny fahasahiana manova dia ny sahy tena mijoro amin’ny foto-kevitra ijoroana marina.
R. Nd.