ANTANANARIVO RENIVOHITRA: voatsipaka avokoa ny fitoriann’ny mpanohitra tamin’ny fifidianana

Nivoaka, omaly, ny didim-pitsarana mahakasika ireo fitoriana ny kandidà ben’ny Tanàna Antananarivo, Ramanantsoa Harilala. Samy voatsipaka avokoa ny fitakian’ireo kandidà ny amin’ny hanalana an-daharana azy.

Tsy hisy fiovana firy intsony ny ho voka-pifidianana ofisialy ho an’ny ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina eto Antananarivo Renivohitra, izay hivoaka ofisialy rahampitso, etsy amin’ny Taf Anosy. Samy nolavina avokoa ireo fitoriana angaredona nataon’ireo kandidà, miisa efatra, tamin’ny kandidàn’ny Irmar, Ramanantsoa Harilala. Mitaky ny hanalana an-daharahana ity kandidà avy amin’ ny fitondrana ity ny kandidà Ravalomanana Tojo, ny Mouvement Gascar, Ndriana Razanamasy ary ny kandidà Razafinjoelina Tahina. Nambaran’ny mpisolovava avy amin’ny Tia Tanindrazana sy ny Mouvement Gascar, Randriamamonjy Saholy fa voatsipaka sy nolavina avokoa ny fitoriana nataon’ireo kandidà ka tsy miova intsony ny voka-pifidianana. “Hanamafy ny voka-pifidianana vonjimaika efa navoakan’ny Ceni ny Taf izany… Tsy hanova firy ny voka-pifidianana ny nanafoanana ny voka-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato tao amin’ny fokontany Antsahabe, Antananarivo Renivohitra”, hoy izy.

Dingana sy ny ala nenina

Nanteriny fa manaiky ny voka-pifidianana izy ireo na niaiky aza fa nisy ny tsy fanarahan-dalana narahana porofo tamin’iny fifidianana ben’ny Tanàna iny. Manana ny fahitany azy anefa ny mpitsara ka ireny ny didy, araka ny lalàna izany, araka ny nambarany hatrany.
Tsiahivina fa tsy anisan’ny niatrika izao fivoahan’ny didim-pitsarana izao ny avy amin’ny Tim sy ny Firaisankina na koa ny mpisolovava ny kandidà Ravalomanana Tojo.
Andrasana, araka izany, ny voka-pifidianana ofisialy hivoaka rahampitso. Andrasana koa ny ho fandraisan’ireo avy amin’ny mpanohitra izao didy izao na efa nilaza aza izy ireo fa hanao ny dingana rehetra sy hiala nenina eny anivon’ny fitsarana.

Synèse R.

Partager sur: