Tsy mety ho foana, 25 ny tranga fakana an-keriny niseho nanerana ny Nosy, ho an’ny taona 2024. Nahitana fihenana izany satria 60 ireo lasibatra ho an’ny taona 2023.
Mitohy ny ezaka ataon’ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena manoloana ny tranga fakana an-keriny. Ho an’ny taon-dasa 2024, olona 25 nalain’ny dahalo natao takalonaina. “Nahitana fihenany io tranga io satria nahatratra 60 izany, ho an’ny taona 2023”, hoy ny fanazavan’ny Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Jean Herbert Rakotomalala, tetsy amin’ny toby Ramarolahy, omaly. Lasibatra tamin’izany ny zaza amam-behivavy hatramin’ny vatan-dehilahy. Tanjona ny hanatsarana ny ezaka efa vita, ho an’ ny zandary. Momba ny fanondranana harem-pirenena toy ny biby arovana sy ahina ho lany tamingana. Sokatra 1 319 tra-tehaka nandritra ny taona 2024 teo. Nahatratra enina ny trafika sarona. “Nitombo io tranga io raha oharina tamin’ny taona 2023”, hoy izy. Tsy mikely soroka, manao izay ho afany hamongorana ireo minia manao ny fandikan-dalàna anefa izy ireo. Anisan’ izany, ny fisian’ny atrikasa mandritra ny roa andro misesy atrehin’ny tomponandraikitra ambony eo anivon’ny zandarimaria manerana ny Nosy, etsy amin’ny toby Ramarolahy, Betongolo. Nanomboka omaly io atrikasa io. Nanatrika ny fanokafana ofisialy, ny minisitry ny foloalindahy sy ny minisitry ny Filaminam-bahoaka. Nanamafy ny minisitra delege eo anivon’ny zandarimaria, ny Jly Andriantsarafara Rakotondrazaka, fa natao io atrikasa io mba hanatsarana ny fomba fiasa sy hametrahana ny vinanasa hiatrehana ny taona 2025.
Tsiferana R.