Ceni: 800 ny antontan-taratasy nangatahin’ny fitsarana

“Ho an’Antananarivo, eo amin’ny 800 ny antontan-taratasy nalefa eny amin’ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana”, hoy ny fanazavan’ny sekretera mpanatanteraka lefitra, Rava­o­harinirina Hanitriniaina, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny voka-pifidianana ben’ny Tanà­na sy mpanolotsaina. Tsy miverina mikirakira taratasim-pifidianana ny Ceni, fa manao tantsoraka amin’ny andidian’ny lalàna azy hanome izay ilain’ny fitsarana. Nangatahin’ ny fitsarana koa ny toerana misy ny biraom-pifidianana, ny fanapahan-kevitry ny Ceni mety misy tsy fahatomombanana hita misarika ny sain’ny fitsarana… Ny fitsarana mahefa mamoaka ny vokatra ofisialy. Ny anjara asan’ny Ceni dia manome ireo antontan-taratasim-pifidianana ilain’ny fitsarana mahefa mba hahazoany mandinika ireo fitorohana na fanamarihan’ny kandidà na lisitra kandidà, rehefa avy nandray ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Ceni. Nanom­boka tamin’ny 19 desambra no efa nisy fangatahan’ny fitsarana ny fitantanana an-tsoratra (PV), ny lisitra, ny biletà maty na tsy nampiasaina…

R. Nd.

Partager sur: