Hafatra fohy no nampitain’ny eveka, ny Mgr Andriantsoavina Jean Pascal, manoloana izao zava-misy eto amin’ny firenena izao sy ho an’ny tsirairay ary ny isam-batan’olona. “Aoka ho tso-piaina ary sahy mijoro amin’ny marina isika. Sahia miteny raha mahita trangan-javatra tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra miseho eny amin’ny fiarahamonina”, hoy izy tao amin’ny tambajotran-tserasera, omaly. Niantsoany ny rehetra izany mba samy hampiseho ny hatsaram-panahiny avy raha misarika ny mpiara-belona hanara-dia an’i Jesoa Kristy. Nanteriny koa anefa ny rehetra mba tsy ho tia manaratsy olona sy mamaly ny fanaratsiana ataon’ny hafa… “Tano mafy ary halalino mandrakariva ny finoanao”, hoy izy.
Mifanohy amin’ireo fanambarana sy hafatra nataon’ireo mpitondra fiangonana izany ambaran’ny Mgr Andriantsoavina Jean Pascal izany, manoloana ny raharaham-pirenena sy ny fiainan’ny fiaraha-monina. Anisan’ny efa niteny ny eo anivon’ny FJKM, tamin’ny alalan’ny filohany, ny Dr Andriamahazosoa Irako Ammi, sy ny avy amin’ny FFKM, tamin’ny hafatry ny Dr Rakotozafy Denis ary koa ny hafatry ny Fivondronamben’ny eveka. Tahaka izany koa ny hafatra hentitra sy nahitsy nentin’ny kardinaly, ny Mgr Tsarahazana Desiré, ny fiandohan’ny taona teo. Mbola nohamafisin’ny filohan’ ny Fivondronamben’ny eveka, ny Mgr Raharilamboniaina Fabien, tany Farafangana, ny herinandro lasa teo koa izany.
Synèse R.