Hivoaka anio ny voka-pifidianana ofisialy. Nitondra ny heviny manoloana ireo fikasan’ny sasany hanohitra izany ny loholona Tsiebo Mahaleo.
«Aoka hazava ny resaka: tsy tamin’ny 20 na 30 taona lasa ny vahoaka malagasy amin’izao, ka mbola mety hatao fitaovana hakana seza amin’ny alalan’ny amboletra na fidinana an-dalambe. Taona 2025 izao fa tsy 2002, ka hoe tsy ny andrimpanjakana voatondron’ny lalàna no hamoaka ny valim-pifidianana fa eny an-dalambe no hamoahana azy». Izay ny fijerin’ny loholona Tsiebo Mahaleo Richard teny Anosy, omaly, manoloana ny fihetsiky sasany amin’ny voka-pifidianana. Efa nilaozan’ny toetrandro izany.
Misy manohitra bontolo ny fahazoana ordonansa hahazoana misoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana: mahagaga. “Ny kandidàn’ny mpanohitra ho ben’ny Tanàna teto Antananarivo Renivohitra ange ka tsy afa-nirotsa-kofidina raha tsy tamin’ny alalan’ny ordonansa”, hoy izy. Sahy milaza ve ny mpanohitra fa tsy ara-dalàna ny firotsahan-kofidin’io kandidà io? Tokony holanjalanjaina izay tenenina, fa tsy hoe baikoin’ny fankahalana. Tsy afa-nirotsa-kofidina izy, raha tsy nisy ordonansa. Efa nilaozan’ny toetrandro izany toe-tsaina izany. Ho diso hevitra sy ho sasa-poana ry zareo, fa hafa ny vahoaka amin’izao: efa matotra, nahazo lesona amin’ny tantara, mahay manavaka ny vary amin’ny tsiparifary. Tsy misy intsony ny fivarotana sakabeloha, na hitatatra ho an-dRainilezafy eto.
Raha fanoherana mifototra amin’ny tsangan-kevitra, zon’ny tsirairay ny manohitra ny tsangan-kevitra tsy mifanaraka amin’ny eritreriny. Arovan’ny lalàna izy amin’izany.
Fa ny fanakanana ny fampandrosoana, na fanavaona bontolo, na fanitsakitsahana ny safidim-bahoaka: aoka fa fanjakana tan-dalàna ny eto, tany misy fanjakana.
R. Nd.