Andrianainarivelo Hajo: «Aza afenina ny tsy fahaizana»

Nitondra ny heviny manoloana ireo fanambarana samihafa na fanehoan-kevitry ny mpomba ny fitondrana ny filoha nasionalin’ny antoko Mala­gasy miara-miainga, Andria­nai­narivelo Hajo. “Aza afenina amin’ny fampihorohoroana ataonareo sy ny fandrahonanareo lava ny vahoaka ny tsy fahaizanareo mitantana sy ny fahantrana lalina novolenareo teto amin’ny firenena», hoy izy.
Nanteriny fa tsy sanatria maty fanahy ianareo mpitondra ka ny mpiray tanindrazana efa mitrongy vao homana no ampitahorinareo sy hanaovana fandemen-tsaina lava izao. Nohitsiny fa mitaky vahaolana maika ary miantraika mivantana any anaty vilanin’ny isan-tokantrano izao zava-misy izao. “Tsy misy anefa izany hatramin’izao”, hoy izy.
Tsiahivina fa nanao ranolava ny fanambarana nataon’ny mpitondra sy ny mpomba azy tato anatin’ny herinandro, mialoha izao hivoahan’ny voka-pifidianana ben’ny Ta­nàna izao. Anisan’izany ny nilazan’ny filoha Rajoelina Andry ny tsy tokony hizarazaran’ny Foloalindahy. Namba­ran’ny praiminisitra kosa fa helohina ny kolontsain’ny herisetra sy ny korontana. Nahitsy kosa ny Jly Ravalomanana Richard fa tsy hisy fanonganam-panjakana izany eto fa tsy manana hery ny mpanohitra. Nampitandrina ireo mikasa hanakorontana ny Prefet an’Antananarivo raha nanao fanambarana miantso ny mpitandro filaminana ho hentitra ny parlemantera mpomba ny fitondrana.
Farany teo ny valin-kafatry ny minisitry ny Fiarovana ho an’ny Kly Andrianasoavina Charles ka nitoriana azy. Ho tonga hatraiza avokoa izany rehetra izany?

Synèse R.

Partager sur: