Hotanterahina etsy amin’ny FLM, 67 ha, rahampitso, ny herinandro fiaraha-mivavaka iarahana amin’ny FFKM. Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa hiteny sy hanana ny hambarany manoloana ny raharaham-pirenena ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy.
Raha tsiahivina, anisan’ny nivoitra tamin’ny fanambarana tany Morondava ny volana desambra teo taorian’ny Komity foibe faha-46 ny antso avo ny tokony hiainan’ny rehetra ny fahamarinana. “Ny fahamarinana no manandratra ny firenena”, araka ny nambaran’izy ireo. Eo koa ny fampahatsiahivan’izy ireo fa zo fototra voalazan’ny Lalàmpanorenana ny fahalalahan’ny tsirairay maneho hevitra anatin’ny fanajana ny lalàna. “Hamafisinay ny tokony hanajana izany”, hoy ihany izy ireo.
Etsy andaniny, maneho ny fahavononany hatrany hifampidinika sy hifanolo tanana amin’ny mpitondra, sy ny hery velona rehetra, ny amin’ny ho fanatsarana ny fiainam-bahoaka sy ny fiaraha-monina ny FFKM, araka ny fanambarana. Nampirisika ny rehetra koa izy ireo mba hijoro ho vavolombelon’ny fifankatiavana sy ny fahatahorana an’ Andriamanitra. “Aoka hatsahatra ny fifampihantsiana samihafa. Aoka tsy hamono eritreritra amin’ny zavatra mitranga sy miseho fa samy hijoro hanatanteraka izay andraikiny avy”, hoy izy ireo.
Marihina fa handray ny fitarihana ny FFKM amin’ity taona ity ny Mgr Raoelison Jean de Dieu, eo anivon’ny fiangonana katolika, raha efa nahavita izany ny filohan’ny FLM, ny Dr Rakotozafy Denis, ho an’ny taona 2024.
Synèse R.