Manameloka ny fambolena korontana eto amin’ny firenena ny praiminisitra, araka ny nambarany. Firenena demokratika i Madagasikara, hoy ihany izy.
“Tsy mila korontana intsony ny vahoaka. Melohiko ny fambolena kolontsain’ny herisetra eto amin’ny firenena. Fantatra ny fotoana hambolena herisetra, fa tsy fantatra izay hiafarany. Miaina izany ny firenena maro. Na ny tany Eoropa izany, na ny taty Afrika”. Io ny nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian teny amin’ny Toby Ramarolahy Philbert, Betongolo, afakomaly, tamin’ny famaranana ny fivorian’ireo tomponandraikitra ambony manerana an’i Madagasikara eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena izay naharitra roa andro.
Misaina ny vahoaka malagasy, fa tsy arakaraka izay eritreretin’ny tena.
Firenena demokratika i Madagasikara. Satria, tanterahina ny fifidianana isaky ny misy izany. Ao ambadik’izay rehefa manao fifidianana: misy ny mpandresy, misy ny resy. Noho izany, tokony harahina ny hevitry ny maro anisa. Satria, izay no safidin’ny vahoaka. Fa tsy hoe tsy maintsy arahina hatrany ny hevitry ny vitsy anisa. Henoina ary ekena ny tsikera ataon’ny vitsy anisa. Ny demokrasia: fanarahana aloha ny hevitry ny maro anisa. Dia henoina ny hevitry ny vitsy anisa… Tsy ny hevitry ny vitsy anisa no entina, fa efa nivoaka tamin’ny fifidianana ny hevitry ny maro anisa.
“Repoblikanina ny mpitandro filaminana. Izay maha repoblikanina azy izay, ny rafitra sy ny fitsipi-pifehezana no mitondra azy ary manaja ny hevitry ny vahoaka”, hoy izy. Ny safidim-bahoaka amin’ny fifidianana izay hevitry ny vahoaka izay. Izay no zava-dehibe aminy. Ny firaisankina eo anivon’ny mpitandro filaminana dia tsy hosembantsembanin’ny mpanao politika izay te hampiasa izany.
R. Nd.