Voalaza fa olon-dratsy: Mpiasana tetikasa matin’ ny fitsaram-bahoaka

Roa lahy izay mpampianatra sy miasa amina tetikasa nosamborin’ny fokonolona tao amin’ny fokontany Amba­to­faritana, kaominin’i Manampatrana, distrikan’Ikongo, omaly.
Nisavorovoro ny mponina tao an-toerana fa nahin’izy ireo ho dahalo izy roa lahy. Raikitra ny fisamborana azy roa lahy voatondro molotra ho olon-dratsy ireo. Nentin’ny tahotra, niezaka nandositra ireo voalaza ka tratra. Nanararaotra nidaroka sy namono ilay mpiasa amina tetikasa ny fokonolona. Leo ny asan-dahalo miseholany rahateo ireto farany. Nentina natao fitsarana izy roa lahy kinanjo nosaritsaritin’ny olona nihazo an’i Manarinjato. Tsy nahazaka ny ratra mafy nahazo azy, teny an-dalana, namoy ny ainy ilay lehilahy. Niditra an-tsehatra tamin’ny fandaminana ny fandriampahalemana ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana. Hiroso amin’ny fanadihadiana lalina momba ity raharaha ity izy ireo hamantarana ny tompon’antoka manoloana izao tranga izao.

Tsiferana R.

Partager sur: