Nanokatra ny fanofanana ireo ben’ny Tanàna vao voafidy, tetsy Anosy, ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina. Nisy ny hafatrafatra nampitainy tamin’izany.
Nambaran’ny minisitra tamin’izany fa tsy mora ny ady natrehina tamin’ny fifidianana nefa lany soa aman-tsara ireo ben’ny Tanàna ka nirariany mba ho taon’ny asa sy ny filaminana ary fampandrosoana ny 2025. Na izany aza, hentitra ny minisitra. “Mila fahendrena io fahefana eo an-tananareo io”, hoy izy. Nanteriny fa andrandrain’ny minisitera sy ny firenena ireo ben’ny Tanàna ary tsy misy fampandrosoana raha tsy miainga amin’izy ireo. Nanteriny fa ilaina ny fahaiza-manao sy ny traikefa ary manoka-baravarana ho azy ireo ny eo anivon’ny minisitera hanohana sy hanampy, araka ny nambarany. Notsindriny fa hanomboka avy hatrany ny asa ary hanatanteraka ireo fampanantenana ireo mpitantana eny ifotony ireo ka tsy tokony hangataka andro, intsony. “Mitantana fanjakana kely ianareo ary miainga aminareo ny fampandrosoana. Ilana ny fiaraha-miasa izany na tsy ho vita amin’ity taona ity aza. Vonona izahay ny hampita ny fahaiza-manao ary tsy hanary anareo”, hoy izy.
Ny famindram-pahefana…
Nanamafy kosa ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala, fa ilaina ny fifanakalozana sy fanofanana tahaka izao ka vonona ny hifampizara izany amin’ireo ben’ny Tanàna namany ny tenany, amin’izany.
Tsiahivina fa anisan’ny niompanan’ny fiofanana ny momba ny famindram-pahefana sy ny fitantanana. Eo koa ny fampahafantarana ny andraikitry ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina.
Tsiahivina fa anisan’ny niatrika izao fanofanana voalohany izao ireo avy amin’ny faritra Itasy, Bongolava, Vakinankaratra ary Analamanga.
Synèse R.