FANTINA sy FINTINA

Nirava maina ny hetsika sy fivorian’ny mpanohitra. Noravan’ny Emmo/Reg ny fivoriana nokasain’ny mpanohitra hatao tetsy amin’ny le Pave Antaninarenina, ny sabotsy teo. Tsy tanteraka koa ny fidinana an-dalambe saika hotarihin’ny depiote Ratsiraka Roland tany Toamasina. Rakotra mpitandro filaminana tsy na fahany nitarika izany teo amin’ny trano fonenany.
Niatrana vao maraina tetsy amin’ny Kianjan’ny 13 mey sy ny manodidina, ny faran’ny herinandro teo ny mpitandro filaminana. Anton’izany noho ny fivorian’ny mpanohitra nifanesy. Maro raha mitaha amin’ny andavanandro ireo eo anivon’ny Emmo/Reg tamin’ireo toerana samihafa eto afovoan-tanana.
Anisan’ny antony mbola hanohanan’i Lalatiana Rakotondrazafy ny filoha Rajoelina Andry ny fiarovany ny tombontsoan’ny vahoaka, araka ny nambarany. Niaiky ny tenany fa azo omena tsiny amin’ny zavatra marobe izy. “Tena mijoro kosa anefa izy rehefa miady ny tombontsoan’ny maro anisa nahafahana nampidina ny vidin-tsolika”, hoy izy.
Notsenain’ny vahoaka manetriketrika ny ben’ny Tanànan’i Talata Volonondry noho ny nahavoafidy azy amin’izany toerana izany. Nambaran’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf), tamin’ny fomba ofisialy ny zoma teo, izany. Tsiahivina fa resy izy tamin’ny voka-pifidianana teo anivon’ny Ceni raha nandresy kosa tany amin’ny PV.

Partager sur: