Tsy nitsitsy fitenenana hatrany. Nambaran’ny filohan’ny FJKM, ny Dr Andriamahazosoa Irako Ammi, tamin’ny fanambarana nataony fa tsy maintsy hirodana raha manorina eo ambony fasika.
Nanteriny tamin’izany ny tokony hanohizana ny fotokevitra efa novoiziny.”Tsy azo atao fitaovana politika ny fiangonana ary tsy tompon’ny fanjakana na mpanompony. Ny fiangonana no fieritreretan’ny fanjakana ary ho mpitarika sy mpanitsy azy”, hoy izy teny Ivato, tamin’ ny fanokafana ny taom-piasan’ny FJKM. Fotoana koa io nanambarana ny handehanany hisotro ronono sy nanaovany veloma ny fitantanana ny fiangonana.
Mbola nohamafisiny ny tsy fankatoavana ny fanambadian’ny mitovy fananahana sy ny fivavahana satanika. Teo koa ny hafatrafatra amin’ny tokony hanajana sy hiarovana ny tontolo iainana.
Teo amin’ny teny fampianarana kosa no nanambaran’ny mpitandrina Andriamampianina Zaka Hary Masy, fa tokony hojerena ny hananana kalitao sy ny hamaroana. Eo koa ny hahefana be sy tsara ary betsaka mandrakariva eo anivon’ny FJKM ka tokony hirosoana any amin’ny asa maha vokatra izany. “Itarihana antsika izany… “, hoy izy.
Tsiahivina fa tonga maro niatrika izao fotoam-pivavahana izao ireo mpanao politika, toa ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Teo koa ireo solombavambahoaka sy ireo ben’ny Tanàna manodidina an’Antananarivo.
Synèse R.