Nanao tatitra ny asa vitany tamin’ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo ny PDS, Alexandre Georget. Nahatsiaro ho afapo ny tenany na teo aza ny fahafohizan’ny fotoana.
«Azo atao tsara ny mampandroso ny tanànan’Antananarivo. Nisy ny ezaka vita ary betsaka koa anefa ny tsy tanteraka. Fohy rahateo ny fotoana roa volana nitantanana», hoy izy tetsy Analakely, omaly. Notanisainy tamin’izany ny ezaka teo amin’ny fanadiovana ireo lakandrano. Anisan’ izany ny C3 sy ny teny Besarety. Teo koa ny fandaminana ny tsena na mbola mitaky fanatsarana aza izany amin’ny lafiny fitantanana. Voaefa ny karaman’ny mpiasa eo anivon’ny CUA ary nahazo tambiny ‘Prime” aza izy ireo tamin’ny fety teo. Voataona ny fako ary madio ny ankamaroan’ireo dabam-pako. Nodiovina isaky ny alarobia sy sabotsy ny teo Analakely sy ny manodidina ary nanokanana andro manokana ny fanadiovana ireo tsenan’ny CUA: Mahamasina sy Isotry ary Namontana… Na izany aza, niaiky ny tenany fa ilaina ny fanovana ny toe-tsaina eo amin’ny fahadiovana sy ny fanadiovana. Tahaka izany koa ny fiarovana ny tontolo iainana ka tokony handraisan’ny rehetra andraikitra…
Fanamboaran-dalana sy ny Jirama
Ezaka vita tao anatin’ny fotoana fohy koa ny fanamboara-dalana sy ny nametrahana ny fandriampahalemana, indrindra tamin’ny fotoan’ny fety sy ny fifidianana teo ireny. Nambarany koa anefa fa anisan’ny asa miandry ny ben’ny Tanàna vaovao ny momba ny volan’ny kaominina eo anivon’ny Jirama. “Tokony hampiditra vola izany nefa eo ho eo amin’ny 145 tapitrisa Ar ihany izany. Sady tara no mbola tsy ampy ary manjavozavo… “, hoy izy. Tahaka izany koa ny momba ny fiakaran’ny rano etsy amin’ny lalana Andravoahangy. Anisan’ny asa miandry ny mpitantana vaovao io, araka ny nambarany hatrany.
Synèse R.