Depiote Imbiki Herilaza : “Tsy mitondra antsika lavitra ny korontana”

“Aoka mba hitondra soso-kevitra fampandrosoana an’i Madagasikara ao anatin’ny filaminana. Satria, tsy mitondra antsika lavitra ny korontana” hoy ny depiote voafidy tany Sainte Marie tamin’ny anaran’ny Irmar, Imbiki Heri­laza, niditra tao amin’ny RNM, omaly. Tsy tokony ho fitsikerana befahatany no atao. Raha misy ny andraikitra entin’ny fanjakana, ka hitantsika fa mety tsy hahomby dia manana soso-kevitra miaraka amin’ny vahaolana isika. Fa tsy sanatria mikitsikera fotsiny na fifandimbiasam-pahefana tsy ao anatin’ny sehatra demokratika ny zava-misy.
“Manao antso avo koa izahay hoe avereno ny soatoavina malagasy. Ny fihavanana no zava-dehibe, eo koa ny fifampihainoana. Indrindra mitondra any amin’ny tombontsoa ambony ho an’ny vahoaka malagasy izany… “, hoy izy. Tokony hifanome tanana ny rehetra ho amin’ny tombontsoa ambonin’ny firenena malagasy. Fa tsy hoe sanatria hanongam-panjakana, na hanao filaharambe eny an-dalana. Tsy mitondra vokatsoa ho an’ny firenena malagasy izay atao amin’izany. Mamerina ny fiangaviana ho an’ny tomponandraikitra rehetra mba hitodika bebe kokoa ho amin’ny tombontsoa ho an’ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana izao izy. Azo ampiarahina amin’ny politika ny sotoavina malagasy: fihavanana sy fifampihainoana ary fifanajana.

R. Nd.

Partager sur: