Natao sonia tany Toliara, ny herinandro teo, ny fampahafantarana ny paikady iarahan’ny Vondrona eoropeanina sy ny minisiteran’ny Tetibola sy ny toekarena (MEF). Niatrika izany ny masoivohon’ i Alemaina sy i Frantsa ary ny UE. Teo koa ny avy amin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo.
Fandaharanasa hatramin’ ny taona 2027 izany ka mitentina 5 000 miliara Ar. Nivoitra tamin’izany ny fampivondronana ny hery mba hahomby ny ho fiantraikany ho an’ireo mpahazo tombontsoa. Anisan’ny mpisehatra amin’ izany ny AFD, GIZ, BEI, DGECHO, KFW.
Hiompanan’ny tetikady ny famatsiam-bola ho an’ny tanora amin’ny fanamafisana ny fanabeazana sy ny fanofanana ary ny fahasalamana. Eo koa ny fiainana ara-demokratika sy ny maha olom-pirenena. Ny momba ny tontolo maitso ho fampiroboroboana ny toekarena amin’ny alalalan’ny fambolena sy ny ala ary ny jono. Ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary ambanin’ ny tany sy anaty rano miaraka amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Tetikady farany ny angovo azo havaozina, mikendry ny fampitomboana sy fanatsarana ny fahazoana herinaratra eny ambanivohitra.
Nitohy tany Mangily Ifaty ny fitsidihan’ireto delgasionina ireto ka ny momba ny angovo azo havaozina vatsian’ny AFD vola sy ny UE no notsidihina tamin’izany. Eo koa ny fijerena ny tetikasa “Fanainga+”. Natomboka ny taona 2018 izany ary notanterahin’ny ekipa UE sy ny avy amin’i Monaco.
CMS sy i Synese R.