Lavon’ny tifitry ny mpanara-dia ny dahalo telo tamin’ireo fito nangalatra omby tao amin’ny fokontany Analatelo, kaominina Andranolava, distrika Sakaraha, afakomaly. Nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, naka omby miisa enina tao amin’ny tanànan’i Teninde, ao anatin’io kaominina io, ireo olon-dratsy. Nanapoaka basy izy ireo ary nentiny nandositra ny omby. Nanara-dia avy hatrany anefa ny fokonolona ary nanampy azy ireo ny mpitandro filaminana avy eo anivon’ny tobim-paritry ny zandarimaria ao an-toerana. Nifandona tao amin’ny kizon’Andamilahy ireo mpanara-dia sy ny dahalo. Nifampitifitra, lavon’ny bala ny telo lahy tamin’ireo mpangalatra omby. Nanao tongotra an-katoka ireo namany. Latsaka avokoa ireo omby ka naverina amin’ny tompony. Mitohy ny hazalambo ataon’ny mpitandro filaminana. Nogiazana avokoa ny fitaovam-piadiana teny amin’ireo dahalo voatifitra.
Tsiferana R.